ANDRY RAJOELINA : Nitsidika sy nihaona tamin'ny ONUDI sy ny Tale Jeneralin'ny OPEC Fund
Mafana New Mafana New
3.42K subscribers
102 views
4

 Published On Aug 14, 2022

Abonne-toi en cliquant ici:    / @mafananew2770  
Abonnez-vous à notre chaîne you tube pour nous soutenir et activez la cloche pour ne pas manquer une de nos prochaines vidéos.


ANDRY RAJOELINA : Nitsidika sy nihaona tamin'ny ONUDI sy ny Tale Jeneralin'ny OPEC Fund

Tonga soa aman-tsara eto Vienne ny tenako hitsidika sy hihaona amin'ny ONUDI. Androany ihany koa aho dia nihaona tamin'ny Tale Jeneralin’ny OPEC Fund, Abdulhamid ALKHALIFA ka ny fampiasana angovo madio sy ny Velirano faha_2 izay nataontsika no noresahanay. Natolotra tanatin’ny dinika ireo tanjona sy laharampahamehan’i Madagasikara amin’izany dia ny fanenana ny famokarana angovo mifototra amin’ny fampiasana ny solika mba hivadihana amin’ny angovo maitso sy azo avaozina, ny famokarana sy ny fizarana fatana mampiasa bioéthanol miisa 250.000 ao anatin'ny 2 taona izay hahafahana miaro velaran’ala 500000ha ary ny fizarana ny "kits solaires"ho an'ny isan-tokantrano.
Nahafinaritra sy nahitam-bokany ny fihaonana satria mifandraika tanteraka amin’ny tanjon’ny OPEC Fund ireo laharampahamehantsika. Hanohana antsika izy ireo mba hahatanterahantsika ireo paikady napetraka. Isan’ny tetikasa hiarahana miasa amin’izany ny « Clean cooking » izay hanomboka amin’ity taona ity ny an’i Madagasikara.

show more

Share/Embed